FOKONTANY SY FARITRA MADAGASIKARA
FOKONTANY ANKAZOMANGA ATSIMO – ANTANANARIVO VI
Voasokajy anisan’ny fokontany maro olona Ankazomanga antsimo raha ny eto amin’ny tananan’Antananarivo renivohitra, manana velaran-tany 90Ha 50Ca izy ka misy mponina miisa hatrany amin’ny 13 800,lalovan’ny lalam-pirenena faha-efatra, tanàna mahafinaritra izy satria azo lazaina hoe milamina, saingy ambany toerana ka misedra fahasahiranana indrindra amin’ny fotoanan’ny orana.
Raha eo amin’ny resaka fandriam-pahalemana dia hita homilamina ihany ny ety anivon’ny fokontany raha ny nambaran’ny filoha mpanampy, Rtoa Norolantosoa sy ny lehiben’ny faritra, Rtoa Angeline, na eo aza ny alabotry majinijinika.
Fa eo amin’ny resaka fahadiovana no somary manairana ny mponina satria tsy ampy ny dabam-pako ka miteraka ny fiparitahan’ny loto isankarazany manerana ny tanàna, miteraka fahatsentsenan’ny tantatra mamakivaky ny tanàna ka mahatonga ny fofona maimbo mandrakotra ny manodidina. Misy noho izany ny haretina aterak’ireo indrindra fa ny zaza latsky ny 5 taona no tena lasibatra, asemporana nohon’ny tsy fahampian’ny rivotra madio, ny aretim-pivalalana.
Noho izy ambanytoerana mantsy dia sahirana lalandava rehefa tongan y vanim-potoanan’ny fahavaratra satria amin’io vanim-potoana io no tena isian’ny fiparitahan’ny loto izay ateraky ny fiakaran’ny rano. Marihina fa mila hodibo-drano avokoa ny akamaroan’ny tanàna amin’io fokontany io rehefa fahavaratra.
Manana olana mahakasika ny jiro iany koa ny fokontany nohon’ny tsy fahampian’ny jiro mirehitra amin’ny andrinjiro nefa maro ny olona mifamezivezy rehefa takariva indrindra fa hoan’ny mpianatra sy ny mpiasa ka miteraka fahasahiranana, indrindra koa fa manome vahana ny mpanendaka. Etsy ankilany koa anefa ny fahatapahan’ny jiro matetika izay manome fahasahiranana hoan’ny isan-tokantrano .
Misy ny rano fisotro madio fa nanjary tsy naharaka izio taty aoriana nohon’ny fihazakazaky ny fitombon’ny mponina.
Anisan’ny olana lehibe mianjady amin’ny mponina ihany koa toy ny mihatra amin’ireo vahoaka maro manerana ny Nosy ny tsy fanana asa ka miteraka disadisa samy hafa eo amin’ny fiarahamonina satria maro no tsy an’asa ary mahatratra hatrany amin’ny 60% no manao ny asa antselika nateraky ny fikatonan’ny orinasa “zone franche”.
Manana ny hetahatany ny mponina mahakasika ireo zava-manairana maro ireo,ny fanomezana asa hoan’ny mponina, ny mba ijerena ny tatatra, ny fahalotoana ateraky ny baka fanariana fako tsy ampy, ary ny fandinihina vahaolana manokana ny tanàna iva mba ialana amin’ny fahasahiranana lava ateraky ny fiakaran’ny rano amin’ny fotoam-pahavaratra.
FOKONTANY ANKADIVATO – ANTANANARIVO I
Fokontany iray ao anatin’ny firaisana voalohany ny fokontany Ankadivato-Ampandrana Andrefana-Antaninandro-Sainte Marie. Nisy rary vato be hatreny amin’ny tonelina Ambanidia no mankaty, hoy ny ray aman-dreny anankiray araka nolazain’ny lovan-tsofina. Mbola hita taratra hatramin’izao amin’ny firafitry ny tany ny vato mandrakotra iny toerana iny.
6 424 ny mponina amin’ny fokontany raha ny fanisana farany. Samy manana ny antom-pivelomany izy ireo, hoy ny fanazan’ny mpiatam-bola Rasoamiarivelona Vololona Dannie. Ao ireo miasa amin’ny fanjakana, manana asa raikitra, misy kosa ireo miasa tena toy ny manasa lamba, mivarotra, hoy izy.
Misy 5 ny mpitsabo dimy sy toeram-pitsaboana iray tsy miankina amin’ny fanjakana eo amin’ny fokontany. Azo lazaina milamina ihany ity fokontany ity, tsy dia misy fanafihan-jiolahy eto amin’ny fokontany iadidianay, hoy ny tompon’andraikitra.
Ny fisian’ny ireo lalan-kely sy totoho-bato eto amin’ny fokontany ary tsy fisian’ny takamoa amin’ny andrin-jiro kosa no manome vahana ny mpanendaka. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny orinasa JIRAMA ny fokontany sy amin’ireo malala-tanana arak’izany ny eo anivon’ny fokontanin’Ankadivato.
Na izany aza, efa miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo izahay, hoy izy. Mizara ho faritra dimy ihany koa ny fokontany ka efa mandray ny andraikiny manoloana izany ireo filohan’ny faritra.
Maro kosa ny sekoly eo amin’ity fokontany ity ary mpianatra avy amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra no tonga mandranto fianarana amin’izany. Ahitana sekoly ambaratonga fototra 3 tsy miankina amin’ny fanjakana ary 1 miankina amin’ny fanjakana ao amin’ny fokontany.
4 kosa ny sekoly ambaratonga faharoa tsy miankina amin’ny fanjakana, 3 kosa ny lisea tsy miankina amin’ny fanjakana ary iray ny miankina amin’ny fanjakana dia ny Annexe ny lisea Jules Ferry.
FOKONTANY SOAVIMASOANDRO – ANTANANARIVO V
Soavimasoandro, fokontany iray ety amin’ny boriborintany faha-V, manan velaran-tany mirefy km2 ary misy mponina miisa hatrany amin’ny 35000, izay sokajina ho isany fokontany manana mponina be indrindra raha ety amin’ny boriborintany faha-V.
Vohitra didinina lohasaha izy ary anisan’ny tanàna tsara toerana, fa ny indro kely somary sahirana ny mponina mivelona amin’ny lohasaha sy ny faritra iva ka misedra olana hatrany rehefa vanim-potoana fahavaratra. Saika mpamboly sy mpiompy ny akamaroan’ny mponina ety izay manodidina ny 60% eo.
Milamina ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny araka ny nambaran’Andriamatoa RAKOTOMALALA Désire, filohalefitry ny fokontany, tsy dia hita firy ety ny sintomahery sy halabotry mampalaza ny faritra maro eto Andrenivohitry Gasikara fa ny fanafianan-jiolahy no somary mahalana mpiseo. Na dia sahirana aza ny mponina hita fa mampiana-janaka ihany ny ankamaroany, manana EPP roa ny fokontany ary CEG iray. Misy ihany ireo sokajin’olona tena sahirana ka tsy afaka mandefa ny zanany noho ny tsy fahampiana.
Ny tanàna madio na dia maro aza ireo mpivarotra amorondalana, nohon’ny tsy fahampinn’ny tsena natokana hoan’izy ireo, izay hita fa mitandro tsara io fahadiovana io ihany, ny rano fisotro ampy. Hita ho tomady sy salama tsara ny olona araka izany, misy ihany koa ny fanarahamaso ny fahasalamana ety, indrindra hoan’ny reny sy ny zaza, miaraka amin’ireo fikambanana maro, fa ny manahirana kely fotsiny tsy fananana CSBII fa eny amin’ireo CSBII amin’ny fokontany rahvavy no mandeha rehafa misy antony manokana tsy maintsy liana izany.
Noho izy tanàna somary manintona dia anjakan’ny ady tany ety, ary hita mpitranga matetika izany. Io moa dia anaingan’ny filoham-pokontany izay hitantana ny firenena atsy ho atsy indrandra fa ny solombavambahoaka dia ny mba ametrahana lalàna mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny ahafahana misoroka ny olana, izay tsy ny eto ihany fa mety manerana ny Nosy mihitsy.
Ny olan’ny tsy fananana asa izay mianjady amin’ny vahoaka amin’izao fotoana izao, anisany lasibatra amin’izany ihany koa i Soavimasoadro satria vinavinaina ho15% n’ny mponina no tsy an’asa.
Hanan’ny fokontany fanantenana betsaka noho izany ny fahavitan’io fifidianana ho avy io soa amantsara mba isian’ny fitondrana ara-dalana ahafahana mampandroso ny fiainam-bahoaka. Hetahetan’izy ireo araka izany ny mba hisian’ny tsena ety amin’ny fokontany, ny paositry ny polisy, ary ireo fotodrafitr’asa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina.
FOKONTANY AMPASANIMALO – ANTANANARIVO II
Ampasanimalo : Imalo, mpiady nalaza nampiala voly ny mpanjaka milevina ao amin’io toerana io no niavian’ny anaran’ny tanàna. Mbola tazana eny an-toerana ny fasana ary voatahiry na dia ao anatin’ny tokontanin’olon-tsotra aza.
35 km2 ny velaran’ny ny fokontany Ampasanimalo, Ankorahotra, Antanimora.
Ao anatin’ity fokontany ity arak’izany no misy ny fonjan’Antanimora. Tsy dia manana olana amin’ny fandriampahalemana loatra ny fokontany fa noho ny habetsahan’ny fako avy ao amin’ny fonja miampy ny an’ny mponina dia maharitra ny fanalana ny fako. Misy tobina mpitandro filaminana amin’ny faritra misy ny fokontany ary manao asa fiambenana ihany koa ny andrimasom-pokon’olona.
Manodidina ny valo arivo eo ny mponina voasoratra ao amin’ny fokontany amin’izao fotoana izao, avy amin’ny tokatrano 370. Anisan’ny fokontany sahirana eto amin’ny boriboritany faharoa ny fokontany iandraiketako, hoy Atoa Andriamiadamanana, mpitam-bolan’ny fokontany ary efa filoha lefitra teo aloha.
Mpiasa an-tselika ny ankamaroan’ny mponina eto amin’ny fokontany, manao tao-trano, manasa lamba, manao asa tana-maro, sns, raha ny nambarany. Manome tolo-tanana an’ireo olona sahirana ireo manan-katao mipetraka ao amin’ny fokontany, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra.
Isan’ny olana goavana sedrain’ny fokontany ihany koa ny tsy fahatapahan’ny jiro sy tsy fahampian’ny takamoa amin’ny andrin-jiro. Isan’ny mampirongatra ny ala-botry izany, hoy ny mpitam-bola. Ny arabe avy aty amin’ny mpitsabo mikambana mipoitra any amin’ny Mausolée dia tsy misy jiro manazava mihitsy raha ny nambarany. Efa nanao fangatahana teny amin’ny kaominina sy teny amin’ny JIRAMA izahay hamahana izany olana izany, hoy izy.
Ankoatra an’izay dia paompin-drano anankiroa ihany no antsakan’ny mponina. Marobe anefa ny mponina ka tsy maharaka ireo paompy ireo, milahatra foana arak’izany ny mpantsaka, hoy ny tompon’andraikitra.
Kely ny fidiram-bolan’ny fokontany raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Nanampy trotraka koa ny krizy, satria nihena ny fanampian’ny malala-tanana raha ny fanazavany.
FOKONTANY ANOSIZATO ATSINANANA
Anisan’ny fokontany manana velarantany lehibe ato amin’ny boriborintany faha-IV i Anosizato Antsinanana, izay mizara ho fokontany roa amin’izao fotoana izao ka ny fokontanin’Anosizato Antsinanana II no hoentina amitsika. Manana velarantany mirefy hatramin’ny 3km2 ny fokontanin’Anosizato Antsinanana II ary misy mponina miisa 5335 eo ho eo.
Izany hoe mbola malalaka tsara ny tanàna raha mihoatra amin’ny isan’ny mponina raha ny resadresaka nifanaovana tamin’ny sefom-pokontany, Andriamatoa Rabeony Hajanirina Noël.
Toerana iva ary sokajina ho isan’ny ambany tanàna izy. Somary sahirana ny ankamaroan’ny mponina ao satria dia mivelona amin’ny asa antselika avokoa toin’ny sasa lamba, mibata entana, manao birika…. Na dia eo aza izay fahasahiranana izay hita ho milamindamina ihany ny fiarahamonina, tsy dia fahita firy ny vakitrano sy ny halabotry isankarazany.
Amin’izao fotoana izao dia hita ho misy fivoarana ny tanàna eo amin’ny lafiny fahadiovana, misy mantsy ny hetsika ataon’ny SAMVA izay hiarahana miasa amin’ny fokonolona sahirana momban’ny fanadiovana tatatra sy fanalana ny fako manerana ny fokontany, sady mba fanomezana asa ho azy ireo. Misy fiantraikany betsaka amin’ny fahasalaman’ny mponina io fihatsaran’ny fahadiovana io.
Ny fotodrafitr’asa no tsy ampy satria tsy mba manana tobim-pahasalamana ny fokontany ka eny amin’ny CSBII Anosimpatrana no mamonjy rehefa misy ny filàna azy. Tsy mbola manana sekolim-panjakana hiany koa ka miteraka fiantraikany amin’ireo olona tsy afaka mampiditra ny zanany eny amin’ny tsy miankina.
Tahaka ireo fokontany maro manerana an’Antananarivo renivohitra dia manana olana amin’ny jiro ny fokontany satria misy hatrany ny fahatapahana isan’andro ankohatra ny elakelan-trano maizina ka miteraka tsy fandriam-pahalemana hoan’ny mpampiasa azy rehefa mby hotonga ny aizina. Misy ny fitarainana efa napetraka eny anivon’ny JIRAMA saingy tsy misy valiny mahafapo hatrany.
Ny andro fahavaratra ihany koa no anisan’ny androm-pahoriana lalovan’ny mponina satria traboina hatrany ny ankamaroan’izy ireo amin’ny vanimpotoana fahabetsahan’ny orana.
Raha fintinina dia milamina tsara Anosizato antsinanana II raha ny fiarahamonina sy ny fandriam-pahalemana, fa eo amin’ny fivelomana, ny foto-drafitr’asa ary koa ny toerana misy ny tanàna somary ambany no miteraka fahasahiranana sy hangatahana fijerevana akaiky mba ahafahan’ny mponina manana farim-piainana tsara tsara kokoa.
Fokontany Anosizato Antsinana II, Boriborintany faha-4, Antananarivo renivohitra